Angano: Havadika ho tantara an-tsary

Tao anatin’ny 50 taona no efa nanangonana ny angano mirakitra sy mifanitsy ary maneho ireo mampiavaka ny Malagasy sy ny fiarahamonina ary ny kolontsaina niainany. Tsy nijanona hatreo fa namadika izany ho tantara an-tsary Rakotondrazafy Gérard. Telo ny olana lehibe tsy maintsy lalovana eo amin’ity tetikasa lehibe ity, raha ny fanazavany. Eo ny fanangonana ireo angano, ny fanehoana an-tsary ireo zava-boalaza ao anatiny, satria, tsy voatery hisy amin’izao vanim-potoana izao avokoa izy ireny. Ao rahateo ny kisarintsarin-kevitra mifono zava-dalina. Ny zavatra na tranga nisy fahiny, kanefa, tsy ho hita intsony ankehitriny. “Ity olana faharoa ity no tena sarotra, satria, tsy maintsy mitady izay fomba hampitana ireny any amin’ny mpamaky”, hoy izy. Manampy trotraka ireo ny fanontana na fitadiavana edisionina hamoaka ny boky. Tsy mora io, satria, maro ireo fepetra takina hisian’ny fiaraha-miasa matotra.
Tetikasa goavam-be ny tahaka izao. Mitaky zavatra maro ny fanatanterahana azy. Mitaky fifanampiana sy fahaiza-manao avy amin’ny tsirairay ihany koa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: