« Ny feon’ny Ala »: Narindra ho seho an-tsehatra ny «Diary Nofy»

Boky ho an’ny ankizy ny « Diary Nofy ». Efa nisy andiany telo nivoaka izy ity tamin’ny endrika boky vakina sy fihaino. Fantatra izao fa nakana aingam-panahy tamin’ilay fa­m­pisehoana «Ny feon’ny Ala » ihany koa ny « Diary Nofy ». Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Okalou, fantatra eo amin’ny sehatry ny fampisehoana sy ny Teach For Mada­gascar, tompon-kevitra tamin’ny boky, izany. Hotontosaina ny 21 marsa izao ny fampisehoana voalohany, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCI Ivato. Niniana natao hifanandrify amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala mihitsy izany satria miresaka ny doro tanety sy ny faharinganan’ny ala no vontoatin’ny fampisehoana. Haseho amin’ny alalan’ny teatra, mozika ary dihy ho mora voarain’ny mpijery.
Tsiahivina fa nosoratan’i Rolling Pen ny « Diary Nofy ». I Catmouse James kosa no nanao ny kisarisary ary ry Kew Madagascar, Katy Lynch, Max Fontaine, Eileen Akbaraly no namelabelatra ny tantara. Hatramin’ny taona 2019 nivoahany, efa nahatratra 40 000 isa ny boky nozaraina, izay nanampy betsaka tamin’ny fanampiana ireo ankizy hamaky teny sy manoratra.

Zo ny Aina

Partager sur: