Manohy ny diany hatrany ny Tanora Masina Itaosy. Fantatra izao fa hanatanteraka rindran-kira eny amin’ny FLM Ebenezera Sabotsy Namehana ry zareo, ny alahady 22 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Fotoana hamerenan’ny Tanora Masina Itaosy indray ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Hitondrany ny vaovao ihany koa. Hanehoany an-kira ireo hafatra tokony hampitaina ho an’ny rehetra.
Nivoaka, omaly, ny didim-pitsarana mahakasika ny Colisée eny Anatirova. Fantatra fa hevitra telo lehibe no anisan’ny nisongadina tamin’izany. Fanesorana ilay Colisée sy famerenana ny anarana « Rovan’ Antananarivo » (Rovan’i Madagasikara, teo aloha) ary ny fanesorana izay tsy zavatry ny mpanjaka eny an-toerana. Anisan’ireo niteraka fanehoan-kevitra maro tao amin’ny tambanjotran-tserasera ny momba ity « colisée » ity, nanomboka tany amin’ny fotoana nananganana azy ka hatramin’izao nivoahan’ny didim-pitsarana izao.
Ela vao mahatsiaro tena sy saina ny Malagasy. Maro be ny zava-tsy mety (tsy mifanaraka amin’ny lamina voajanahary) eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Matetika, anefa, miaina amin’ny « mandeha ho azy » ny Malagasy, manoloana ireny. Tsy fomban’ny Malagasy, ohatra, ny mamingavinga olona. Saingy, firy amin’ny tanora ankehitriny no manaja raiamandreny (fihetsika, teny, fitafiana…)? Tsy mampihetsi-bolomaso ny « sasany », fa zava-doza ho an’ny fiarahamonina sy ny hoavin’ny firenena iray manontolo.




