Mpanao gazety ara-kolontsaina: Voafidy ho filohan’ny « Sorakanto » i Michaël R.

Tetsy amin’ny «La Cité des cultures» Antaninarenina. Nandritra ny fivoriam-be no­tanterahin’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina na ny «Sora­kanto», ny sabotsy 21 febroary teo no nanatanterahina ny fifidianana izay hitarika indray ny fikambanana. Voafidy ho filoha tamin’izany Rakotoari­soa Joachin Michaël (Mika). Izy no nandimby ny filoha teo aloha Randriamiarantsoa Faly, hi­tondra ny «Sorakanto» ao anatin’ny efa-taona manaraka.
«Anisan’ny laharam-pahamehana, amiko, ny fanomezana aina vaovao sy fivelarana lehibe kokoa hatrany ny fi­kambanana «Sorakanto». Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa, anefa, fa manomboka mitombo isa ireo mpanao gazety tanora mikirakira ny kolontsaina. Noho izany, mila tohana izy ireny mba ho tonga sy ahatafapetraka tsara ny maha matihanina azy eo amin’ny fanatanterahina ny asany.», hoy Joachin Michaël, raha nanatsidika ireo asa heveriny fa mila tanterahina maika.

Anisan’ny vahaolana narosony ny fanomezana fiofanana ireo mpanao gazety mikirakira ny tontolon’ny serasera. «Ny kolontsaina midadasika be. Noho izany, ilaina ny fio­fanana hoenti-mampitombo ny fahalalan’ny tsirairay. Katsahina hatrany ny hisian’ ny fiaraha-miasa amin’ireo heverina fa mahafehy tsara ny taranja tsirairay ao anatin’ny kolontsaina», hoy hatrany ny filoha vaovaon’ny fikambanana «Sorakanto». Tsiahivina fa mpanao gazety avy ao amin’ ny «Les Nouvelles» i Joachin Michaël (Mika)

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: