Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano. Mpilomano 418, avy amin’ny klioba 30, manerana ny ligy 7 no nandray anjara. “Record” nasionaly roa no montsana.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ Andriampenomanana Baritiana Mathieu (Managing). Taorian’ny nahazoany ny “record” nasionaly, tamin’ny fanokafana ny taona ho an’ny ligin’Analamanga. Mbola nahazo “record” nasionaly roa hafa indray izy nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha. Nahavita nanamontsana ny zava-bitany teo amin’ny 100 m, nage libre, i Baritiana, ka vitany tamin’ny fe-potoana 0:53.99 izany. 0:54.03 no nahavitany izany teo aloha. Tamin’ny andro voalohan’ny fifaninanana, efa nahazo “record” nasionaly ihany koa izy teo amin’ny 400 m 4N, ka vitany tamin’ny fe-potoana 5:01.37 izany. 5:02.50 no nanaovany izany teo aloha. Ankoatra izay, nanatsara ny zava-bitany teo amin’ny 200m papillon ihany koa i Baritiana. Teo amin’ny sokajy U17, nanatsara ny zava-bitany ihany koa Rakotonanahary Océane (Managing), teo amin’ny 50 m brasse. Vitany tamin’ny fe-potoana 00.35.59 izany, raha toa ka 00.36.22 no nanaovany izany teo aloha. Teo amin’ny 100 m brasse indray, nataony tamin’ny fe-potoana 01.20.15 izany, raha toa ka 01.20.41 no nanaovan-dRasoamanana Stéphanie izany teo aloha. Hamoaka ny lisitry ny filaharan’ny mpilomano, hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, any Ghana, ny 6 hatramin’ny 10 mey izao, ny Tale teknika nasionaly, afaka herinandro vitsy. Torak’izany koa ireo hiatrika ny lalao Olympika ho an’ny tanora, hatao any Dakar, ny 31 oktobra hatramin’ny 13 novambra izao.
Mi.Raz




