Notanterahina nanomboka omaly, hitohy rahampitso, eny amin’ny Kianja Oceanis Park Ambohidratrimo, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Basket Unity Game”, karakarain’ny ligin’Analamanga. Ho an’ny omaly, nifanandrina ny ekipan’ny Quatre-Bornes avy ao Maorisy sy ny Vétérans Ambohidratrimo, lalao izay nanokatra ny fifaninanana. Taorian’izay, nifandona ny Hammers Maorisiana sy ny tompondakan’ny N1B malagasy, ny AS Saint Michel. Ny lalao teo amin’ny Dragons Maorisiana sy ny Blindé an’Analamanga, sokajy Vétérans kosa no namaranana ny fifaninanana omaly. Ho an’ny fandaharam-potoana rahampitso kosa, hifanandrina ny Diaspora Quatre Bornes sy ny Staff eo anivon’ny ligin’ Analamanga Aorian’izay, hifampitàna ny ekipan’ny Hammers avy any Maorisy sy ny Ligin’Analamanga, sokajy Vétérans. Fanamafisana ny fifandraisana sy ny firahalahiana amin’ny ekipa avy any ivelany no tena tanjona amin’izao fifaninanana izao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny ligin’Analamanga, i Jakina.
Mi.Raz




