Tsipy kanetibe – “PPF 2026” : Nahazo fanasana i Yves sy i Tonnerre ary i Lova

Hotanterahina ao amin’ny Kianja Douaisis, France, ny sabotsy 7 sy alahady 8 marsa ho avy izao, ny famaranana lehibe amin’ny fiadiana ny Passion pétanque française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe, ho an’olon-telo miaraka. Anisan’ireo nahazo fanasana amin’izany ny Malagasy. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Yves Sedrick sy i Tiana (Tonnerre) ary Lova. Samy efa zatra fihaonana iraisam-pienena avokoa izy ireo ary anisan’ny andrarezina amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, tompondakan’ny La Marseillaise 2025 izy telo mirahalahy. I Lova izay mbola tompondaka maneran-tany teo amin’ny olon-droa miaraka lahy sy vavy koa.
Iray ekipa ilay Italianina, i Diego Rizzi, tompondaka maneran-tany ho an’olon-tokana sy i Dylan Rocher ary i Robineau. Miaraka kosa i Philippe Suchaud sy i Henri La Croix. Hanana ny ekipany manokana ihany koa, amin’ity, Andriantseheno Christian (Ra Cle). Tsiahivina fa resy teo amin’ny manasa-dalana ny ekipa malagasy, nahitana an’i Zigle sy i Tiana kely ary i Ba­loty, nandritra ny “PPF 2025”. Nandavo azy ireo ny ekipa tompondaka, nahitana an’i Marc Cognard sy i Elie Win­terstein ary i Gimenez.

Tompondaka

Partager sur: