Andraisoro : Fatin-jaza hita tao anaty tatatra

Fatin-jaza vao teraka hitan’ny fokonolona tao anaty lakandrano maloto, teny amin’ny fokontany Andraisoro, boriborintany fahadimy, omaly tolakandro. Natosiky ny rano, nifangaro tamin’ny fako sy ny plastika ny vatana mangatsiakan’io zaza menavava io. Tsikaritry ny olon-tsotra monina eny an-toerana ny fisian’ny tranga ka nampandre ireo mpiara-monina ilay nanatri-maso voalohany. Nitangorona ny fokonolona ary niezaka nampiakatra ny nofo mangatsiakan’ilay zazakely tsy manan-tsiny tao anaty tatatra. Ahina ho narian’ny reniny vao tsy ela akory, tamin’iny faritra iny, ilay zaza. Tsy fantatra mazava anefa ny nahavanon-doza nahavita nanary an’io menaky ny ainy io tao anatin’ilay lakandrano. Araka ny fanazavan’ny mponina nanatri-maso, tsy nisy nahatsikaritra trangan-javatra hafahafa teny amin’izy ireo talohan’ny nahitana an’ity zaza ity. Mampirongatra ny fanarian-jaza vao teraka matetika ny fialana andraikitra. Nitsoahan’ny lehilahy, vohoka tsy niriana na ihany koa, tahotra ny ray aman-dreny tsotr’izao. Ataon’olona anaty harona plastika, fonosina gony na koa atsipin’ireo tsy mataho-tody tsotr’izao anaty rano maloto izy ireny. Manoloana ny tranga maro samihafa niseho, niroso hatrany tamin’ny fanaovana fanadihadiana ireo mpitandro filaminana. Tsy hita soritra mazava anefa matetika ny tena tompon’antoka amin’ireny karazan-javatra ireny. Marihina fa voararan’ny lalàna ny fanalan-jaza na koa fanariana zaza ho an’ny eto Madagasikara.

Tsiferana R.

Partager sur: