Efa any Frantsa ny depiote Andriamananoro Augustin. Niala teto Madagasikara, ny alahady teo, nandeha sambo nihazo an’i Mayotte ary efa tonga any Paris izy. Manana zom-pirenena frantsay ny tenany ka mora ny nidirany tany an-toerana, araka ny nambaran’ny fahitalavitra Mayotte 1ère. Tsiahivina fa anisan’ny nosavaina koa ny tranon’ity depiote Irmar ity.
Misy fanakorontanana ataon’ny olon’ny fitondrana teo aloha amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny depioten’i Mahajanga II, Ramananarivo Orlando. « Tsy ekena intsony ny fanakorontanana sy ny fiverenana amin’ny tsimatimanota », hoy izy. Nanteriny fa tsy an’ny mpanao politika ny tolona. « An’ ny vahoaka miandrandra ny fanovana izany », hoy izy.
Efa nody any an-tokantranony, taorian’ny nanadihadian’ny mpitandro filaminana azy, ny depiote Rafidimanana Desiré, lany teny amin’ny boriborintany fahefatra sady avy amin’ny TMH, afakomaly. Nialohavan’ny fisavana ny biraony, eny Anosibe, ny tapakandro maraina izany. Nizotra am-pilaminana avokoa izany. « Ara-dalàna ny fisavana, tsy nisy ny herisetra », hoy izy.
Nitondra fanampiana an’i Toamasina koa ny avy amin’ny Vondrona Panorama. Nanatitra izany teny amin’ny BNGRC Antanimora izy ireo, omaly. Anisan’ny tao anatin’izany ireo avy amin’ny Gen/Tanora miaro ny soa iombonana, ny antoko Famoloana ary ny antoko MFM. Fanehoana ny fanohanana eo amin’ny samy Malagasy izao hetsika izao.




