Nitondra fanazavana ny momba ny tondrozotra ho an’ny fanavaozana ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny sori-dalana ny taona 2009 izany.
“Nisy ny fifampiresahana sy ny fifanajana. Tsy nisy ny resaka hoe tsy maintsy manao an’izao na izao”. Io ny fanazavan’ ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Razafimanantsoa Hanitra, teny Antaninarenina, omaly, ny amin’ny tondrozotra Fanavaozana. Raha tsy misy ny fiovana, hosoniavin’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, anio, izany ary hatolotra ny Sadc alohan’ny 28 febroary. Tsy mitovy amin’ ny endriky ny tondrozotra tamin’ny 2009 niarahana tamin’ny Sadc izy io. Tamin’ireny, noterena i Madagasikara. Hatramin’izao, misy andininy maromaro tsy tanteraka. Ny antony, tsy namaha ny olan’ny Malagasy. Fanovana lalàna fototra ny fanavaozana, tsy maintsy misy fifidianana izany. Ny fikaonandoham-pirenena no hamaritra ny endriky ny fanjakana, ny fifidianana hatao mialoha, ny fifidianana na fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana… Ny vahoaka malagasy no masi-mandidy ny amin’izany.
Tondrozotra hamahana olana
Na izany aza, tsy mihatra avy hatrany… Tsy maintsy ampandalovina eo anivon’ny komity mpitarika, ahitana ny filoham-panjakana, ny praiminisitra, ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, ny minisitry ny Atitany ary ny FFKM, momba ny fikaonandoham-pirenena, ny tondrozotra. Mamaha ny olana amin’ny sehatra rehetra: sosialy, toekarena, filaminana, olan’ny vahoaka ankapobeny. ”Tsy natao hizarana toerana politika izany. Hataon’ny samy Malagasy ny fikaonandoham-pirenena, izay lalana tsy maintsy izorana ho amin’ny fanavaozana”, hoy izy.
R. Nd.




