TSELATRA

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanamanjaka, afakomaly, ny tovolahy 17 taona. Nanolana vehivavy 34 taona tany Sahalombo, fokontany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe I izy io, ny 24 febroary 2026, tamin’ny 12 ora atoandro teo.

Lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny vono nahazo azy tany Iamboroa Avaratra, Camp Robin, disitrikan’Ambohimahasoa, afakomaly alina. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo nanatri-maso, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina izy no nandeha nirevirevy tamin’ny toeram-pisotroana iray. Nisy namono sy nanendaka anefa ny tenany rehefa teny an-dalana hody.

Partager sur: