Nanao fanambarana ny eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, Antsakaviro. Anisan’ny navoitran’izy ireo, tamin’izany, ny fifandraisana amin’i Frantsa. « Tsy mankahala azy ireo velively isika fa mila diovina ny fifandraisantsika amin’io firenena io. Irinay ny hisokafan’ny pejy vaovao amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta », hoy izy ireo, tetsy Antsakaviro, omaly. Nanterin’ity vovonana politika ity fa tokony hajain’ny Frantsay ny fiandrianan’ny firenentsika, ao anatin’izany fiaraha-miasa izany.
Nambaran’izy ireo koa fa tokony hiorina amin’ny fihavanana, fiarahamonina tsy misy raorao ary fifanajana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo firenena rehetra. Ao anatin’izany koa ny fiaraha-miasa ahitana tombontsoa, mizara mira, eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, araka ny fanambarana.
Etsy andaniny, nankasitrahin’izy ireo ny fahasahian’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël namaly ny fanasan’ny filoha Rosianina, Vladimir Poutine. « Midika izany fa zava-dehibe aminy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ary mariky ny fitiavan-tanindrazana », hoy izy ireo.
Ankoatra izay, voarain’ity vovonana Diovy Madagasikara, Antsakarivo, ity koa ny fitarain’ny vahoaka traboina sy ny sefo fokontany sasany noho ireo fanampiana tsy tonga eny ifotony.
«Nametra-pialana izy ireny manoloana ny olan’ny vahoaka», hoy izy ireo. Notakin’ity vovonana ity koa ny hametrahana ny mangarahara amin’ny fizarana ny fanampiana.
Synèse R.




