Mois : février 2026

Fetin’ny mpifankatia : Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026

Nitontona faran’ny herinandro, ary tanatin’ny andro tsara. Saika nahitam-pahombiazana avokoa, araka izany, ireo fety aman-danonana izay tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia, tamin’ity. Ny zoma 13 febroary dia efa nanomboka izany, notohizana ny 14 febroary, tena andron’ny fankalazana ary nofaranana omaly alahady. Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026 ihany koa izany, […]

Rugby – “XXL Top 12”: Resin’ny Cosfa ny CEA Andranomanalina

Nivoaka sempotra vao tafavoaka ho mpandresy ny Cosfa (Bebaoty), nanoloana ny CEA Andranomanalina. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Efa tany amin’ny “gong” farany vao nibata ny fandresena tamin’ny isa tery ny miaramila. Nahavory mpijery maro, ny fihaonan’ny roa tonta, tamin’ity. […]

DAKA AN-JORONY

Olana etsy, olana eroa Toy ny tongo-bakivaky ity olan’ny baolina kitra ity ka sady maharary no mahamenatra. Toa aretina tsy mety sitrana ny zava-misy ao anatiny. Tsy miafina amin’ny rehetra intsony fa miharihary toa tafika andrefan-tanana ka sady hitan’ny maso no ren’ny sofina. Toy ny fary ny fahitana izany ka […]

Faran’ny herinandro : Nihanatevina ny « Fetin’ny mpifankatia »

Tsy nijanona tamina fety notanterahina tany amin’ny toeram-pialamboly na efitrano malalaka fotsiny intsony. Nanjary nahitana lanonan’ny mpifankatia ireo trano fandraisam-bahiny anisan’ny lehibe ho an’ny teto an-dRenivohitra. Ankoatra ny fitomboan’ny isan’ny toerana nikarakara lanonana. Nihanatevina ihany koa ny «Fetin’ny mpifankatia » raha jerena amin’ny endriky ny fety, ny faran’ny herinandro teo. Nanjary […]

INDRAY MIJERY

Nisy ny fandaminana noraisin’ny Holafitry ny farmasianina hanamorana ny tolotra ho an’ireo marary manjifa fanafody rehefa faran’ny herinandro. Efa misy isaky ny boriborintany enina ny farmasia mpiandry raharaha. Tsy voatery mandeha alavitra intsony, araka izany, ireo izay hividy fanafody. Misy ihany koa ireo farmasia ivelan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra misokatra 7j/7 sy […]