Mois : février 2026

Laboratoara Leader : Manomboka miara-miasa amin’ny mpikaroka

Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpianatra ny laboratoara Leader eo anivon’ny sekoly ambony ES DES, amin’izao fotoana izao. Miso­katra ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny avy amin’ny Oni­ver­­sitem-panjakana ihany. « Natao ity laboratoara ity hampitomboina ny tahan’ny manampahaizana eto Madagasikara », hoy i Manjaka Rakoto David, talen’io […]

Madagascar Natonal Park : Miha matotra hatrany ny fitantanana

Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany (1991-2026) ny Madagascar Natonal Park (MNP). Manamafy ny ezaka hitahiry ireo valanjavaboahary 49 tantaniny ny ekipa manontolo. Omaly no nisantarana ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’ny Madagascar Natonal Park (MNP). Nitokanana koa ny foiben-toerana etsy Ambatobe izay nanokanana fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fiasana maromaro hanampy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana ho an’ny Oniversite, «Ma-Hery Futsal», karakarain’ny Fief Mada. Hatao rahampitso kosa ny famaranana amin’ity hetsika ity. Hotolorana vola 2 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy amin’izany. Ny ekipan’i Senegal indray no miandry ny ekipa malagasy Ankoay, anio alina, amin’ny […]

Tsipy kanetibe: Hanatrika «Mondial» miisa roa ny Malagasy

Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsiazotafo, ny alakamisy teo, ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), Andrianirina Adrien. Tamin’izany no nilazany fa hiatrika fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial” miisa roa i Ma­dagasikara, amin’ity. Voa­lohany, ny “senior” olon-telo miaraka, lehilahy, hotanterahina any Malaisie, ny 17 – 21 septambra ho avy izao. […]

Karate-Mada, ankizy sy vehivavy: Nitombo ny isan’ny mpandray anjara

Nanomboka omaly, eny amin’ny Kianja mitafon’Anko­rondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, sokajy ankizy sy vehivavy, ho an’ny taona 2026. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara. Raha 420 teo ny tamin’ny taon-dasa, niakatra ho 700 be izao ny amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. […]