Mois : février 2026

INDRAY MIJERY

Anisan’ireo toerana nitondra faisana ary nahitana fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny mponina ao amin’ny kaominin’i Didy, faritra Alaotra Mangoro. Nisy ny fahasimbana nahazo ny mponina ka nitaky fandraisana andraikitra haingana ho fanohanana azy ireo. Nanatanteraka fizarana fanampiana ara-tsakafo ny BNGRC ho an’ireo tokantrano. Eo koa ny fanohizan’izy ireo […]

« Andron’ny firaisankina »: Hanampiana ireo mpanao gazety traboina

Hotontosaina, anio, eny amin’ny tokotany malalaky ny Tranombokim-pirenena Ampe­filoha, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro, ny « Andron’ny firaisankina ». Hetsika iarahan’ny CTOJM sy ireo fikambanana mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy mikarakara izy ity. Natao ho fanohanana sy fanomezan-tanana ireo mpanao gazety traboina any amin’ny Faritra Atsinanana […]

Fanampiana ireo traboina Miara-miasa i Shyn sy ny Zanak’ala

Manoloana ireo tranga fisavoritahana sy korontana ary fisolokiana sy fanodinkodinana ny fanomezana ka tsy mipaka amin’ny tokantrano tokony hivantanany, nanapa-kevitra ny tsy handefa ny anjara hanampiany ho an’ny traboina eto Toamasina ny vondron’ny fikambanana Zanak’ala avy ao Fianarantsoa, tarihin’ny mpandraharaha Mamy Bé Forst. Nametraka fiaraha-miasa mivantana amin’ny mpanankato Bé Jean […]

Etazonia sy i Madagasikara: 175 tapitrisa dolara ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana

Manohana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara i Etazonia. Vola mitentina 175 tapitrisa dolara no entina miasa mandritra ny 5 taona (2026-2030). Vola mitentina 134 305 000 dolara ny fanampiana avy amin’ny governemanta amerikana hanatanterahana ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana eto Mada­ga­sikara. 41 216 252 dolara kosa ny tetibola entin’ny go­ver­nemanta malagasy hiaraha-miatrika ny […]