Mois : février 2026

TARATRY ny KANTO

Maika ny fanarenana ny Mozea Vavitiana ao Toamasina. Anisan’ny nitondra takaitra mafy koa ity tranombakoka mitahiry ny tantaran’i Madagasikara ity, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Harenina haingana ity vako-pirenena ity, raha ny nambaran’ny minisitera. Nahitam-pahavoazana mavesatra ihany koa ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, “Masôva 501”, izay sady biraon’ny minisitera no […]

MSK – Oniversiten’Antananarivo : Nomen-danja indray ny teny malagasy

Nosokafana, omaly, teny Ambohitsaina Ankatso, ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » ifarimbonan’ny Onive­rsi­ten’Antananarivo sy ny Ivon-toeram-pikarohana mom­ba ny arika sy ny zavatra ary ny olona malagasy (Itazoma/­Ciram) ao amin’ny Zanatse­hatra Malagasy, Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary Sian­tsan’ny Maha olona. Nosantarina tamin’ny diabe norahavana hira, ny fandaharam-potoana. Narahina fampirantiana ireo […]

Havàtsa-Upem : Manerana ny Nosy ny antsa tononkalo

« Tononkalo avy amin’ny tanàna ». Lohateny nampitondrain’ny Havàtsa-Upem ilay hetsika hotontosaina, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. « Aingam-panahy avy amin’ny tanàna = faritra, vohitra, toerana… Manerana an’i Madagasikara », hoy ny fampahalalana sy fampahafantarana ary famintinana nataon’ny mpikarakara momba ity hetsika hanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny […]

AmbondronA sy mi’Ritsoka: Hisy seho goavana ho an’i Toamasina

Samy manao ny tandrify azy. Hanohy ny andian-tseho, ho fanangonam-bola hanampiana an’i Toamasina ny tarika AmbondronA. Ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, vavahady P1, ny alahady 8 marsa. Io ny fotoan-dehibe homen’ny tarika AmbondronA ireo mpankafy azy eto Antana­narivo. Fampisehoana goavana no homanina, iarahan’ny tarika misalahy amin’ny mi’Ritsoka Production eo amin’ny fampitaovana […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 13 sy ny 14 marsa ho avy izao, ny « Salon des Transports et de la Chaîne logistique », eo ambany fiahin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hetsika lehibe, hampivondronana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fitaterana sy ny sehatra mifandraika aminy. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fotodrafitrasa, ny fanatsarana […]