Mois : mars 2026

Andohatapenaka : Mpangalatra moto naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana ny sabotsy 28 febroary teo, notanana vonjimaika eny am-ponja, ny lehilahy iray voasaringotra tamin’ny halatra moto teny Andohatapenaka. Nangalarin’ny olon-dratsy ny moto scooter iray ny marain’ny 25 febroary lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny fahatongavan’ny mpanao ratsy tao amin’ny toerana nisy io fananany io ny tompon’ny moto. Voatery nanao […]

Fandrobana 15 tapitrisa Ariary: Jiolahy voatifitra, zandary roa naratra

Voatafika ny tokantrano iray teny tsiafahy, afakomaly alina. Voaroba ny vola 15 tapitrisa Ariary. Tonga teny an-toerana ny zandary, raikitra ny fifampitifirana. Vokany, naratra ny roa tamin’ireto farany, nipitihan’ny taim-bala. Voasambotra ny olon-dratsy iray. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny zandary teny Tsia­fahy, tamin’ny alahady alina. Vokany, voa […]

15 taona an-tsehatra: Feno fihetseham-po ny sehon’i Farakely

Dingana iray tsy nandalo fotsiny fa nipetraka ho tantara ny seho nanamarihin’i Farakely sy ny tariny ny faha-15 taona. «Rotsirotsy». Feon-kira nambabo ny iray efitrano no nanombohany ny sehon’i Fa­ra­kely, nanome ny endriky ny tohiny… Tsara petraka, voaomana, nirindra, manaporofo ny traikefa nivangongo nandritra ny 15 taona niakaran’i Farakely an-tsehatra […]

TARATRY ny KANTO

Revy Mahaleo, nampiditra ny fankalazana ny faha-55 taona. Mazava loatra, feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly. Mpijery amin’ny sokajin-taona rehetra, nahitana ireo raiamandreny mitovy amin-dry Dama sy Bekoto, ireo zokinjokiny, ireo mitovy taona amin’ny Mahaleo Taranaka ary ireo mbola zandry fa mpankafy ireo tonga nianoka ireo hira tsy tontan’ny ela. […]

Famelomana aina-CHU JRA : Olona 2 000 isan-taona karakaraina ao

Nitondra fanazavana mo­mba ny sampandraharaha famelomana aina, ao amin’ny rihana voalohany, ao amin’ny CHU JRA, ny profesora Rajaonera Andriambelo Tovo­hery, lehiben’ity sampandraharaha ity. Isan-taona, manodidina ny 2 000 ireo olona avy nodidiana sahanin’ny sampandraharaha. Manodidina ny 2 500 kosa ireo olona atao fizahana mialoha ny handidina azy. Mandray ireo olona […]