Mois : mars 2026

FEC -FRD: Fitsirihana ataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena

Manan-danja amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ny famatsiambola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Tombanana, ankehitriny, ny zava-bitan’ny fanjakana malagasy sady dinihina ihany koa ny hoavy. Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tarihin’i Constant Lonkeng Ngouana. Mandritra ny roa herinandro ny dian’izy ireo, tafiditra ao anatin’ny fitsirihana faha-3 sy faha-4 ny fandaharanasa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy vahaolana ny hanafoanana manontolo ny fifaninanana teo anivon’ny ENMG farany teo, araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Mbintanarivo Andrian­tsihorisoa. Nohitsiny fa hiteraka kajikajy hisiana kolikoly indray izany. « Tokony hojerena ny tombontsoa sy ny ezaka vitan’ny tanora efa nilofo mafy nahatafita iny fifaninanana teo iny », hoy izy. Mitaky tetikasa fampandrosoana mitovy […]

Depiote Masy Célestin : “Tsy fikatsahana tombontsoa ny fitondrana”

Nitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny depiote voafidy tany Benenitra, Masy Célestin, oma­ly. Nambarany fa tsy natao hikatsahana tombontsoa manokana na tombontsoan’antoko ny andraikitra iantsorohan’ny mpitondra. No­hamafisiny fa tokony hifantoka tanteraka amin’ny tombontsoam-bahoaka izy ireo. “Ma­nantena vokatra azo tsapain-tanana ny Malagasy. Tsy fotoan’ny andranandrana izao, fa fotoanan’ny asa hahazoana […]

Lalao an-kamely !

  Mbola tsy ny ampahefan-dalana no vita, efa mifamingampigana sy mifanindrom-paingotra ny mpiara-milalao. Mazava ny zotra, samy te ho lohany rahatrizay vita ny lalao famaranana. Ny kapitenin’ny ekipa, efa manomboka mahaihay vava. Manomboka tsy mihaino tolo-kevitra. Hita fa manome tombon-dahiny manokana mpilalao vitsivitsy. Ny ekipa teknika, natao hampitovy tadin-dokanga, iaraha-mahita […]

Fikambanana OEACP : Niantso hanafoanana ny sazin’i Madagasikara

Kisendrasendra? Na fifanandrifian-javatra… “OEACP nohavaozina sy novaina ao anatin’ny fiovan’izao tontolo izao”. Io no lohahevitry ny fihaonana faha-11 nataon’ny fikambanan’ny fanjakana afrikanina sy karaiba ary pasifika (OEACP), tany Malabo, Guinée Equatoriale. Notanterahina ny 27 ha­tramin’ny 29 marsa lasa teo izany. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara. Nisolo tena ny Mala­gasy tany […]