Alarobia 13 avrily 2016 – Alarobia 15 avrily 2026. Faha-10 taona namoizana an’i Henri Rahaingoson na i «Di…». Hanatanteraka hetsika mifandraika amin’io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Alarobia 15 avrily, amin’ny 2 ora folakandro, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza, «Fitsiahy an’i Di…». […]
Mois : mars 2026
Rajery tany Toamasina : Nanao fitaizana ara-tsaina ho an’ny mpianatra
Nitondra ny anjara birikiny ho an’ny mpianatra traboina tao Toamasina Rajery sy ny namany. Tamin’ny alalan’ny « Musicothérapie », nentina manampy amin’ny fitaizana ara-tsaina no nanatanterahany izany. Mafy loatra ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani any Toamasina. Anisan’ny nizaka izany ny mpianatra. Nisy fiantraikany ratsy tamin’izy ireo ny faharavana hatrany amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao eto Antananarivo, ny 2 sy 3 avrily ho avy izao, ny Fihaonambe momba ny otrikarena voajanahary, « Forum capital naturel », andiany fahatelo. Tanjona ny hampidirana ny otrikarena voajanahary amin’ny fanapahan-kevitra ara-toekarena sy ara-bola eto Madagasikara. Mikarakara azy ny tambajotra Nat Cap, eo ambany fiahian’ny minisitera Medd, tohanan’ny AFD, ny GEF […]
Orange Madagascar : Hamboly zana-kazo 40 000 manerana ny Nosy
Manamafy ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tanjona ny hamboly zana-kazo 40 000 amina faritra miisa 13, manerana ny Nosy. Natomboka ny zoma teo, tany amin’ny kaominina Masindray, ny hetsika ka nahafahana namboly zana-kazo 4 000 niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny mpianatra sy ny mpampianatra […]
Tondradrano : 53 tapitrisa euros ny tetikasa PIAA2
Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa « Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo- Phase II » na ny PIAA2. Hiompana amin’ny fametrahana fotodrafitrasa hisorohana sy hampihenana ny tondradrano izany. Hanampy amin’ny fanavaozana ny tambajotran-drano maloto sy ranon’orana ihany koa. Ankoatra izay, hanatsara ny fari-piainan’ny mponina, indrindra eny amin’ny faritra iva. Mitotaly 53 tapitrisa euros […]




