Mois : mars 2026

Mitaky fahasahiana

Miverina indray ny fanaovana politika sadasada ho an’ny sokajin’olona sasany. Manorina fahefana ambony fanaovana takalonaina sy ady an-tsena. Mahakamo ny manaraka ireo tambajotran-tserasera eto Madagasikara. Zary fifanalam-baraka amin’ny samy Malagasy sisa. Tena tsy misy tahotra sy henatra ny olona izay heverina ho manampahaizana fa mahasahy mifanompa. Anisan’ny tena ilana fanavaozana […]

Firarazana Ankazobe : Nanokatra sekoly vaovao ny Fondation Axian

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny EPP vaovao namboarin’ny Fondation Axian ao Firarazana Anka­zobe. Any anatin’ny faritra anaovana fanarenana ala efa ho roapolo taona izay tantanin’i Alterra no misy io sekoly io. Tafiditra ao anatin’ny ezaka lehibe ho fampandrosoana ny faritra izy io, hampifandray ny fiarovana ny tontolo iainana sy […]

Fahasarotan’ny fanalan-jaza : 6 amin’ny 100 mandalo eny amin’ny hopitaly

Nisy fanadihadiana nasionaly natao mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana (PF), ny vohoka tsy nirina ary ny fikarakarana ny fahasarotana noho ny fanalan-jaza eny anivon’ny hopitaly. Nampahafantarina omaly, teny Antanina­renina, ny valiny ka nisongadina fa miaina herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG) eny anivon’ny fiarahamonina ny vehivavy sy […]

« Star Tour Antsirabe 2026 » : Hiverina ny ‘Zay, sambany i Jack’Dad

Efa fotoana ifanomezana. Tsy afa-misaraka amin’ny fe­tin’ny Paka any Antsirabe in­tsony ny “Star Tour”. Any ra­hateo ny fanokafana ny he­tsika isan-taona. Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 6 avrily izany amin’ity, eo amin’ny toerana mahazatra, efa maherin’ny 15 taona izay. Karazana fialamboly marobe no hatambatra amina fotoana sy toerana iray, ka ny […]