Fetibe eny amin’ny torapasika mandritra ny hefarana. Ny 3 hatramin’ny 6 avrily izao no hanatontosana ny « Festival Dôla Beach » any Vatomandry. Totorebika andro aman’alina toy ny efa mahazatra, satria hiditra amin’ny andiany faha-14 izany amin’ izao. “Efa fotoana ifanomezana izy ity. Miezaka manatsara ny hetsika, mampiditra ireo izay […]
Mois : mars 2026
Taranja Handball : Miisa 23 ireo mpanazatra haka ny « Licence D »
Notanterahina nanomboka omaly, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra taranja Handball, amin’ny mari-pahaizana “Licence D”. Miisa 23 ireo teknisianina miatrika izany, ary misy teratany vahiny. Efatra avy atsy Comores, roa avy any Mayottes. I Hammouda Khaled, mpampiofana efa za-draharaha sady mpampianatra any amin’ny […]
Tsipy kanetibe: Nafindra any Thaïlande ny “Mondial 2026”
Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka, lehilahy, indray amin’ity i Thaïlande. Afaka ny sazin’izy ireo ka izao naverin’ny Federasionina iraisam-pirenena ao anatin’ny fianakaviamben’ny tsipy kanetibe maneran-tany izao. Notapahin’ny Federasionina iraisam-pirenena fa hafindra any Thaïlande ny andiany faha-52 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, […]
VAOVAO TAMBATRA
Mandroso hatrany amin’ny 24% ny asa fanamboaran-dalana Antsohihy-Bealanana, RN31. Efa vita ny sosona fototra, manomboka eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK48+700, any Ankazibetsiahy-Antsahabe. Efa tafapetraka ny « dalots » miisa 191 amin’ny 523, ka eo am-pamaranana ny 5. Miisa 8 amin’ny 29 ny tetezana efa vita. Mizotra araka ny tokony ho izy […]
Menabe: Rano fisotro madio ho an’olona 2 000
Nametrahana paompy miisa 4, siniben-drano manana hadiry 5m³ any amin’ny kaominina Andranomainty, fokontany Bermia, faritra Menabe, ny herinandro teo. Manodidina ny 600 ny mponina misitraka azy. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity fotodrafitrasa ity, tambajotra fizarana rano amin’ny paompy. Manodidina ny 750 ny olona misitraka azy any amin’ny kaominina Andranofotsy. Nahazo […]




