Nidina tany ifotony, tanaty ala, ny lehiben’ny distrika Soanierana Ivongo, sady lehiben’ny OMC. Tafiditra anaty faritra arovana ny alan’Ambalanirana, fokontany Antanadava, kaominina Manompana, distrika Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo. Ny 18 hatramin’ny 21 marsa teo no nanatanterahina izany, niarahan’ny tomponandraikitra sivily sy miaramila, ka anisany ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany […]
Mois : mars 2026
Fampandrosoana : Ambany ny sandam-bola malagasy
Marefo ny vola eto amintsika raha oharina amin’ny firenena manodidina. Nivoitra izany nandritra ny fakan-kevitra nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanovana ny rafitry ny vola, teny Ankatso, ny alatsinainy teo. “Vary milanja 6 kilao no azon’ny vola 20 000 Ar eto Madagasikara”, hoy ny talen’ny antotanisan’ny BFM, Razafimanantena […]
FANTINA sy FINTINA
Namaly tamin-katezerana ny horonantsary navoakan’ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Notakiny ny hampitsaharana ny fanenjehana an’i Koufali Daya sy ny tenany ary koa ny minisitra teo aloha, Fanirisoa Ernaivo. « Namatsy ny vola nanonganana an-dRajoelina io tanora io ary avelao izy hiasa malalaka », hoy izy. Nivoaka amin’ny fahanginany ny […]
Fitondrana fanavaozana : Hivoaka anio ny governemanta vaovao
Anio no hanatanterahana ny filankevitry ny minisitra voalohany amin’ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao. Izay ny fampitam-baovaon’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, omaly, manoloana ny fiandrasana ny governemanta vaovao amin’izao. Hanao ahoana? Arakaraka ny firafitra sy ny fomba fiasany ny ho fahombiazana, ny fahatokisana azy; eny, […]
Mitonia, milaminà !
Mahavelombolo, sady hivoaka anio no « tsaratsara » izy ao! Raha ny vaovao niely hatry ny omaly, mahakasika ny governemanta vaovao. Tsy miolonolona amin’ny ankolafin-kery iray intsony fa misokatra ho an’ny Malagasy tia tanindrazana sy vonona rehetra. Ny sasany aza efa midehadehaka amin’ny tambajotran-tserasera ao. Mifampiarahaba sy mirary soa […]




