Mois : mars 2026

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina, ny volana avrily ny fihaonana miverina eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC Vakinankaratra, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa ity fifanandrinana ity dia tafiditra anatin’ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra «Pureplay Football League (PFL)». Nambaran’ny filohan’ny Federasionina ma­lagasin’ny baolina kitra […]

Barean’i Madagasikara : Efa any Turquie ny ankamaroan’ny mpilaravinahitra

Araka ny fikarohana natao omaly, efa any Antalya Tur­quie, ny akamaroan’ ny mpilaravinahitra ao amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Mada­gasikara. Anisan’izany ry Clement Couturier, Sandro Tremoulet, Ehsan Khari, Thomas Fontaine, Johan N’Zi, Morgan Jean Pierre, Bryan Adinani, Tommy Iva. Niga­dona omaly, niaraka tamin’ny mpilalao koa i Corentin Mar­tins, mpanazatra ny ekipam-pirenena. Raha […]

Taranja Karate: Hisy ny fanatsarana amin’ny lafiny maro

Nahitana lesoka ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, farany teo, araka ny tatitra nataon’ny eo anivon’ny Federasiona karate-do malagasy. Hisy ny fanatsarana hatao. Ny “cadres” na ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana no andry iray mampandroso ny fanatanjahantena […]

Mpanao gazety ara-panatanjahantena : Namboly hazo tany Ambohimanjaka

Tsy nijanona tamin’ny fanatanjahantena irery ny hetsika ataon’ny Union des journalistes sportifs de Madagascar (UJSM) fa nivelatra tamin’ny fanaovana adidy ho an’ny tanindrazana dia ny fambolen-kazo. Nanatanteraka izany izy ireo ny sabotsy lasa teo. Taorian’ny fanatontosana ny «Media cup pétan­que», niroso tamin’ny fambolen-kazo indray ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina eny Ankatso ny fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara, miaraka amin’ny mpianatra, mpampianatra ary mpikaroka momba ny fanovana ny rafitry ny vola. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola nitohy ny adihevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra samihafa. Tsiahivina fa tetikasan’ny BFM ny hanafoana ny vola taratasy manomboka amin’ny 2 000 ka hatramin’ny 20 […]