Mois : mars 2026

Noely Sakelidalana: Hotsaroana an-kira ny Raharaha 1947

Feo miavaka tsy manam-paharoa. Nandravaka ireo hira mandona fanahy, mamelombelona ny fitiavan-tanindrazana. Izany no nahafantarana an’i Noely Sakelidalana. Hoentiny an-tsehatra mandritra ny fahatsiarovana ny 29 marsa izany. Raha vao hoe Sakelida­lana, i Noely no mby ao an-tsaina. Raha vao ma­heno Sakelidalana ihany koa, dia ireo hira maneho ny tolom-panafahana nandritra […]

INDRAY MIJERY

Andro maneran-tany ho an’ny toetry ny andro, omaly. «Mandalina ny anio ho fiarovana ny ampitso” ny lohahevitra novoizina amin’ity taona ity. Ankalazaina amin’ity taona ity ihany koa ny faha-125 taonan’ ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Momba ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity, varatraza malefaka no handrafitra izany ho an’ny […]

Kaominina Ivato : 10 taona nanaovana asa soa ny fikambanana Destiny

Notanterahina tetsy amin’ny Minning Business Center, ny faran’ny herinandro teo, ny fanamarihana ny faha-10 tao­na nijoroan’ny fikambanam-behivavy, Destiny, izay tarihin-dRandrianarisoa Hoby, vadin’ny ben’ny Tanànan’ Ivato. 10 taona nanaovana asa sosialy amin’ireo sokajin’olona marefo sy zokiolona ary olona manana fahasembanana ny fikambanana. Tao anatin’izany fotoana izany dia efa an’aliny maro ireo […]

Fitsaboana nify : Lafo ho an’ny anka­maroan’ny Malagasy

Hafarana avokoa ny fitaovana sy kojakoja fitsaboana nify eto Madagasikara ka mampalafo ny saran’ny fitsaboana. Vitsy koa ny mpitsabo nify eto amintsika. Mbola miatrika olana goavana ny sehatry ny fahasalaman’ny ativava, eto Mada­gasikara. Vitsy ny mpitsabo nify, lafo ny fitaovana, tsy ampy ihany koa ny fisorohana. Manaitra ny tomponandraikitra samihafa […]

Fahasalamana ara-pananahana: Nandray ny delegasionina Ipas sy solombavambahoaka i Toliara

Namita iraka tany Toliara ny Ipas Afrique francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice réproductive. Nanatanteraka hetsika faobe ho fampahafantarana ny lalàna laharana 2017- 043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana izy ireo. Nihaona tamin’ny talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Atsi­mo Andrefana, Rambeloson Basile Casimir, ny herinandro lasa teo, […]