M-3 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026” baolina kitra, anio. Tontosa avokoa ireo lalao sakana ary efa fantatra ireo firenena 48 hiady lohany amin’ity. Nahatafita firenena 10 i Afrika. Ekipa goavana tsy tafita i Italie.
Taorian’ny lalao sakana ny talata lasa teo, fantatra avokoa ireo firenena rehetra tafita amin’ny dingana famaranana, hiady ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2026”. Fihaonana hatao any Etats-Unis, Canada ary Mexique, ny 11 jona – 19 jolay ho avy izao. 48 ireo hiady ny lohany, izay voalohany eo amin’ny tantaran’ny “Mondial”. Efatra ireo firenena sambany vao hiatrika izany. Anisan’izany ny Les requins bleus an’i Cap-vert, ao anatin’ny kaontinanta afrikanina. Eo koa Les loups blancs Ouzbekistan sy ny Al-Nashama Jordanie, izay samy solontenan’i Azia. Ny Curaçao avy amin’ ny Kaonfederasionina amerika avaratra sy afovoany ary Caraibes (Concacaf). Ankoatra izay, 52 taona aty aoriana, hiverina hiatrika ny “Mondial” ny RD Congo, rehefa nandresy an’i Jamaique tamin’ny isa tokana
1 no ho 0, teo amin’ny lalao sakana. Mahatratra 10, araka izany, ireo hisolo tena an’i Afrika amin’ity: Maroc, Tunisie, Algerie, Egype, Ghana, Cap-Vert, Afrika Atsimo, Sénégal, Côte d’Ivoire, RD Congo. Ekipa goavana tsy tafakatra ny Squadra Azzura Italie, izay resin’i Bosnie Herzegovine, tamin’ny lalao sakana.
Tompondaka
Vondrona
-A : Mexique, Afrika Atsimo, Corée, Tchécoslovaquie
-B : Canada, Bosnie Herzegovine, Qatar, Suisse
-C : Brésil, Maroc, Haiti, Ecosse
-D : Etats-Unis, Paraguay, Australie, Turquie
-E : Allemagne, Curaçao, Côte d’Ivoire, Equateur
-F : Pays-Bas, Japon, Suède, Tunisie
-G : Belgique, Egypte, Iran, New-Zeland
-H : Espagne, Cap-Vert, Arabie Saoudite, Uruguay
-I : France, Sénégal, Iraq, Norvège
-J : Argentine, Algerie, Autriche, Jordanie
-K : Portugal, RD Congo, Ouzbekistan, Colombie
-L : Angleterre, Croatie, Ghana, Panama




