Nigadona teto an-tanindrazana, afakomaly, teny Ivato, ny delegasionina Makis sevens izay avy niatrika ny fifanintsanana afrikanina, taranja rugby lalaovin’olona fito tatsy Maurice, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra medaly volafotsy ny ekipam-pirenena malagasy tamin’izany, ary tafita hiatrika ny fifaninanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2028. Nilaza ny mpanazatra ny Makis, Mboazafy Noé, fa somary olana kely ho azy ireo nandritra ny famaranana izay nihaonany tamin’i Kenya ny fahamaikana sy ny fikoropahana. “Lesoka ho anay ny fifangaroan’ny fahamaikana sy ny fikoropahana. Betsaka ny lesona azo tsoahina taorian’iny fifanintsanana iny, ary hanarina izany izahay amin’ny fiatrehana ny dingana manaraka”, hoy i Mboazafy Noé, mpanazatra. Raha ny fanazavana nataony ihany, tsy vitan’ny iray volana intsony ny fanomanana ny fifanintsanana manaraka fa mila fotoana maharitra raha tiana ny hahazo vokatra tsara.
Fitia Randria





