Basikety-Tanà Ville : Tompondakan’ny N1B ny Lucadro sy ny NBE

Tontosa ny alahady 29 marsa lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny famaranana teo amin’ny sokajy N1B, anivon’ ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Voahosotra ho tompon­daka ny ekipan’ny Lucadro, teo amin’ny sokajy vehivavy, raha toa ka ny NBE kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Avo lenta ireo lalao famaranana raha ny voka-dalao, satria tsy dia nisy ny elanelan’isa be teo amin’ny samy mpifanandrina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, isa 45 no ho 42 no nandresen’ny Lucadro ny ekipan’ny ACA ary tena niady hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta. Toraka izany ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Efa minitra vitsy tsy hifaranan’ny lalao vao fantatra izay ho tompondaka, raha toa ka nifandanja tanteraka ny fifandonana nanomboka tany amin’ny ampaham-potoana voalohany, faharoa ary fahatelo. Nivoaka ho mpan­dresy tamin’ny isa 61 no ho 55 ny ekipan’ny NBE nanoloana ny ekipan’ny JCBA. Nanamafy izay fiakaran’ny lentan’ny fifaninanana izay ny filohan’ny seksiona, Andrianantenaina Jean Felix. Nam­barany fa nihena ny fangalaran-taona tamin’ity noho ny fanatsa­rana ny fomba fiasa. Nahitana fiovana sy fanatsarana ihany koa ny fifaninanana, raha tsy hiteny afa-tsy ny fisian’ny loka manokana ho an’ny mpandresy, mpilalao mendrika ary ny “fair play”. Voahosotra ho mpilalao mendrika Razanany (Lucadro) sy i Fameno (NBE).

Mi.Raz

Partager sur: