Hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny zoma sy ny sabotsy ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’ ny ranomasimbe Indianina, taranja Rugby lalaovin’olona fito. fifaninanana karakarain’ny Aroi. Natokana ho an’ny tanora latsaky ny 16 taona na ny U16 sy ny U18 ny fifanintsanana. Ahitana solontena malagasy roa avy izany. Raha ny ao anatin’ny U16, izay natao ho an’ny lehilahy, hisy ekipam-pirenena Makis roa hifanintsana. Ho an’ ny U18 indray, samy misy Makis roa na ny lehilahy na ny vehivavy. Tsy mbola niova ny mpifanandrina amin’i Madagasikara fa mbola ireo nosy rahavavy toa an’i La Reunion sy i Mayotte ary i Maurice.
Araka ny fanazavana nataon’i Daniel Blondy, filohan’ny Aroi, omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis, natao hanomanana ireo solofo mpandimby amin’ny ekipam-pirenena ny fifanintsanana toy itony. “Misy tamin’ireo mpilalao renioney niatrika ny fifanintsanana tahaka izao, efa lasa milalao any amin’ny Top 14 frantsay, ankehitriny”, hoy ity lehiben’ny Aroi ity.
Ankoatra izay, nilaza ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, fa hisy ny lalao fitsapana hataon’ireo Makis Ladies, mandritra io fifaninanana eny an-toerana io. Tsiahivina fa ny Makis, vehivavy zokiny, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Kenya, ny volana mey ho avy izao ary izay voalohany amin’izany no hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny diviziona faharoa (WXV II), ny faharoa kosa, hanao ny “WXV III”.
Fitia Randria




