Hotanterahina any Manakara sy Vohipeno, ny 17 hatramin’ny 27 aogositra izao, ny fifaninanam-pirenena natokana ho an’ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny Asief na Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires. Manodidina ny 15 000 eo ny mpandray anjara amin’izany. Tanjona ny hanetsehana ireo mpiasam-panjakana sy hananana fahasalamana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa, araka ny nohamafisin’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé na i Jhone Love. Nambarany ihany koa fa efa misy ny tomponandraikitra any an-toerana mijery ny fotodrafitrasa ka azo lazaina ho tsy tokony ho olana. Hampiavaka ny fifaninanana nasionaly amin’ity taona ity ny fitomboan’ny taranja hifaninanana, ka anisan’izany ny Handball. Raha toa ka 17 ny taranja nifaninanana tamin’ny taona 2025, nitombo ho 23 izany amin’ity taona 2026 ity. Ho an’ny eto Analamanga, efa nanomboka 3 herinandro izay ny fifaninanana ary mizotra tsara ihany koa ny any amin’ny faritra hafa.
Mi.Raz




