Samy tsy nisy nivoaka ho mpandresy na ny Disciples FC na ny Elgeco Plus, omaly, teny By-pass. Mbola mijanona ho laharana amin’ity PFL ity ny Disciples FC ary faharoa kosa ny Elgeco Plus.
Rava sahala! Niampy isa iray indray ny an’ny Disciples FC Vakinankaratra sy ny Elgeco Plus Analamanga, amin’ity fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ity. Nisaraka ady sahala, tamin’ny isa 1 no ho 1, ny roa tonta, omaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium By-pass. Ity fifanandrinana miverina ity izay tafiditra amin’ny andro faha-11. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana teny an-toerana, niady tanteraka ny lalao, nifandimbiasana ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Maro ny baolina tokony ho tafiditr’i Fabrice sy i Franck ary ry Tendry, ho an’ny Disciples FC, teo amin’ny fidirana voalohany. Tokony hanakobana ny harato ihany koa ry Jean Luc sy Tsila, ho an’ny Elgeco Plus. Na dia teo aza ireo, isa 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nandritra ny fizaram-potoana faharoa, samy nampiseho ny heriny ny andaniny sy ny ankilany. Ny Elgeco Plus nahatafiditra ny baolina voalohany, ny minitra faha-70, tamin’ny alalan’i Lalane rehefa nanao tandrevaka ireo vodilaharan’ny Disciples FC. Efatra minitra taorian’io ihany nefa, nosahalain’i Dahery, kapitenin’ny Disciples FC, tamin’ny alalan’ny daka ankavia ivelan’ny faritra tsy azo ivalozana ny baolina. Tsy niova tamin’io ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipa roa. Mijanona ho voalohany ny Disciples FC, manana isa 27. Manaraka azy ny Elgeco Plus, mitana isa 22. Marihina fa tamin’ity lalao ity, tsy tazana teny an-kianja ireo mpilalao Barea A farany teo, toa an-dry Bono sy Rado Be, ho an’ny Disciples FC ary ry Toldo sy Toky na i Balita, ho an’ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, ny ekipan’ny Usca foot no miandry ny Disciples Vakinankaratra any amin’ny andro faha-12 ary ny CosPN hifandona amin’ny Elgeco Plus.
Fitia Randria




