« RUGBY AROI 2026 » : Tsy nisy nivoaka teto Madagasikara ny amboara

Norombahin’ny Makis avokoa ny amboara rehetra nandritra ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indiana,  « Aroi », sokajy U16, lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy.

Fahombiazana no azon’ny ekipam-pirenena malagasy Makis nandritra ny fifanintsanana Rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana «Aroi», ho an’olona fito. He­tsika izay natao tetsy Ando­hatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. Lasan’izy ireo avokoa ny amboaran’ny U16, sokajy lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy.
Tsy nisy ady sarotra ho an’ny Makis tamin’ity fihaonana ity fa nisongadina hatrany izy ireo tamin’ireo mpifanandrina taminy. Raha hiverenana ny famaranana, adin’ny samy Malagasy ny teo amin’ny sokajy U16. Lavon’ny Mada 2 tamin’ny isa 21 no ho 14 ny Mada 1. Ho an’ireo latsaky ny 18 taona indray, resin’ireo vehivavy Makis ladies, zandriny, 26 no ho 5, ny ekipa nasionalin’i La Réunion. No­montsanin’ny lehilahy Makis, tamin’ny isa 36 no ho 7 kosa ry zareo maorisianina.
Tsara marihina fa i La Réunion sy Mayotte ary i Maurice ihany no firenena nifanandrina tamin’ny Mala­gasy tamin’ity. “Nahafinaritra fa nahomby ny fifaninanana, niakatra ny lentan’ireo ankizy. Tanjon’ny fifaninanana ny hijerena sahady ireo solofo mpandimby, amin’ny hoavin’ny Rugby eto anivon’ny ranomasimbe Indiana.” hoy i Daniel Blondy, filohan’ny Aroi.
Ankoatra izay, nilaza ny tale teknika nasionalin’ny Ma­lagasy Rugby, Antso­niandro Andrianorosoa, fa « efa hiverina ny fifanintsanana nasionaly ho an’ireo sokajy zandriny amin’ity baolina lalaovin’olona fito ity”. Nambarany koa fa ny enti-manana hatrany no mbola lesoka tsy ahafahan’ny federasiona mandray anjara amin’ireo fifanintsanana iraisam-pirenena any ivelany. Raha ny filazany, nampiakatra ny lentan’i Argentine ny fifandonany matetika amin’i Neo Zelandey.

Fitia Randria

Partager sur: