Nahatratra 34 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka 2026 lasa teo, teto amin’ny faritra Analamanga, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena, omaly. Nosamborina noho ny vaky trano ny telo, tra-tehaka teo am-panaovana sinto-mahery ny iray hafa. Tratra nangalatra moto kosa ny efatra ary iray voarohirohy saika hamaky trano, ny telo tratra nivarotra sy nidoroka zava-mahadomelina ary telo hafa voasambotra noho ny hamamoana sy fanakorontanana an-dalambe. 12 tamin’ireo nentina teny amin’ny biraon’ny polisy nanaovana fanadihadiana satria tsy nitondra karapanondro. Trano roa tetsy Soanerana sy Andohatapenaka may. Tsy nisy aina nafoy nandritra izany. Manam-pahefana iray mamo no nosamborina noho ny fandrahonana sy fikasana haka basy tamin’ny Polisy teo Antohomadinika.
Sivy ny lozam-pifamoivoizana, izay naharatrana olona fito sy nahafatesana olona efatra, teto Antananarivo Renivohitra sy teny amin’ny faritra Avaradrano. Vokatry ny hamamoana avokoa ny dimy tamin’ireo tranga ireo. Olona roa namoy ny ainy teo anivon’ny sampana vonjitaitra, nandritra ireo fety ireo. Marary iray namoy ny ainy tao amin’ny trano famelomana aina, ny alatsinain’ny Paka.
Mino




