Vaky trano tetsy Ampitatafika : Mitentina 5 tapitrisa Ar ny entana very

Novakian’ny olon-dratsy ny tokantrano iray tetsy Avaratetezana Ampitatafika, ny alahadin’ny Paka teo. Teo anelanelan’ny tamin’ny 7 ora hatramin’ny 11 ora atoandro no nanatanterahin’izy ireo izany asa ratsy izany. Very, nandritra izany, ny sakaosy mainty iray, nahitana fakan-tsary canon EOS 60D, miaraka amin’ny objectif canon 2 (18 -135mm) sy finday samsung iray C3. Akanjo iray sakaosy mbola vaovao, radio JBL iray, vola 450 000 Ar tao anaty armoara sy teo ambony fandriana, poketra hoditra miloko volontany ary fonosana savony maro. Mitentina 5 tapitrisa Ariary teo ny fitambaran’ireo.
Lasa nivavaka ny olona rehetra niray monina tao an-tanàna, tamin’io. Nahatsika­ritra ny vavahady efa nitongilana ny tompon-trano tonga aloha tao an-tanàna. « Avy any Imerintsiatosika ary handeha hiakatra hamonjy ny tokantranony, ny alahady ma­raina, no nahazo antso avy amin’ny tompon-trano fa vaky ny vavahady izahay », hoy ny tompon’ny entana very mipetraka ao amin’ilay trano. Nampahafantarina ny zava-nisy ny zandary ao Ampita­tafika ary nofantsihana sy tsy navela nisy niditra tao amin’ny trano vaky. Nakana alika ary natao ny fanarahan-dia, ny alatsinain’ny Paka, tamin’ny 4 ora maraina. Niditra sy nitokona teo anoloan’ny vavahadin’olona iray, 1 km miala ny trano, ilay alika. Tapaka ny savilin’ny vavahadibe iraisana, tsy niala tamin’ny toerany ny fanalahidy, nipitsoka tanteraka ny varavarana tany anatiny izay miditra amin’ny tokantrano lasibatra, nandritra ny fizahana nataon’ny zandary. Nipitsoka avokoa ny varavaran’ny armoara rehetra tao an-trano ary nikorontana ny entana. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika io raharaha io. Tsy mbola nisy tranga toy izao teny an-toerana, tao anatin’ny 12 taona.

Mino

Partager sur: