Maître Kelly : Mangataka roa taona hanarenana ny kick-boxing

Nitondra ny taranja kick-boxing teto Madagasikara Rasoanaivo André Kelly, fantatra amin’ny anarana hoe Maître Kelly. Manana hetaheta hitondra fanavaozana eo amin’ity taranja ity ny tenany.

Naneho ny hetahetany amin’ny tokony hitondrana fiovana eo amin’ ny taranja kick-boxing ny Maître Rasoanaivo Andre Kelly. Izy no nitondra ity taranja ity teto Madagasikara, araka ny tantara. Tsy teto an-toerana izy ary vao tamin’ny taona 2017 indray no niverenany ka nahita ny maharary ny taranja eto Madagasikara. Nangataka ny Maître Kelly ny hanomezana azy roa taona, hanavaozana izany, mialoha ny hametrahana izay ho filoha hitantana ny federasionina. Misy fanamboarana hatrany am-potony mila hatao, araka ny nambarany. Vonona izy ny hamerina indray ny lazan’ny kick-boxing eto Madagasikara. Tsy manana eritreritra ny ho eo amin’ny fitantanana ny federasionina mihitsy ny tenany, raha ny nambarany, fa ny hanome ainga vao no tanjona, ho an’ireo Malagasy mpikatroka ity haiady ity. Manana klioba ny Maître Kelly dia ny klioban’ny Python. Ao amin’io kliobany io izy no mampihatra voalohany izany fanavaozana tiany hoentina izany. “Mino sy manantena aho fa hanaiky ny fangatahana ny tomponandraikitra mahefa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena”, araka ny nambaran’ny Maitre Kelly.

Mi.Raz

Partager sur: