Nihinana trondro holikoliky: Raim-pianakaviana roa tsy nahatsiaro tena

Niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo, raim-pianakaviana roa niaraka tsy nahatsiaro tena ka voatery naiditra hopitaly tao Betania, kaominina Morondava, omaly. Fiana­kaviana roa avy ao an-toerana niaraka nihinana karazana trondro atao hoe holikoliky, ny alarobia 8 avrily lasa teo. Mpanarato no nahazo ireo trondro ireo. Nampiarahana tamin’ny makamba io sakafo io. Tsy nisy nanampo na inona na inona, araka izany, ireo raim-pianakaviana ireo. Nanji­fa ny trondro ary nahandro izany ho an’ny ankohonany. Nidiranandro anefa izy ireo satria niteraka tsy fahasalamana avy hatrany ny fihinanana io karazana hazandrano io. Nandoa, narary kibo sy tratra, tsy nahatsiaro tena ireo raim-pianakaviana roa izay samy lasibatra. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Mbola anaty fahasarotana tanteraka ny fahasalaman’ny iray, araka ny tatitra avy amin’ny talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Menabe, omaly. Tsy ahina kosa ilay lehilahy iray faharoa. Noraisin’ny tomponandraikitra an-tanana feno ny fitsaboana ireo olona roa niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo ireo. Manoloana io tranga io, nidina ifotony na­mangy ireo olona niharan’ny tranga ny tomponandraiki-panjakana ao amin’ny faritra Menabe. Manentana manokana ireo mpanjono sy mpivarotra hazandranomasina ao an-toerana izy ireo ahafahana misoroka ny voina tahak’izao.

Tsiferana R.

Partager sur: