Fitokonana an-dalambe : “Hitohy ny fitakiana”, hoy ny Gen Z “Voakarama ireo”, hoy ny Filoha

Nanomboka omaly ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Nilamina ny dia avy eny Ambohijatovo nihazo an’Analakely. Nambaran’ny Kly Randrianirina Michaël fa olona voakarama ireto manakorontana.

Niverina nidina an-dalambe ny tanora Gen Z, omaly. Nifamotoana teny Ambohijatovo izy ireo. Vao maraina, efa nisy ny fitangoronana sy ny fametahana sorabaventy. Mitaky ny fanatanterahana ny teny sy toky nifanomezana nandritra ny fanonganana ny fitondrana teo aloha, ny volana septambra. Nizotra am-pilaminana ny hetsika. Tsy nisy ny mpitandro filaminana nanakana. Ny fandravana ny Vaomiera ma­nokana miandraikitra ny fifidianana, ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, ary ny antenimierampirenena no votoatin’ny fitakiana.
« Fanairana sy fampahatsiahivana ny fangatahana tany am-piadohana ny anton’ny hetsika satria mbola misy ny rafitra tsy mety», hoy i Herizo, mpitarika ny Gen Z. Nam­barany fa nohalefahana ny hetsika satria nisy ny antso avy any amin’ny primatiora mba hifampiresaka. “ Efa nisy ny solontena dimy avy aminay hitondra ny tena fangatahanay any. Anisan’izany ny fikaonandoha savaranonando mialoha ny fikaonandoham-pirenena, hametrahana ny tondrozotra. Rehefa mazava ny rafitra miainga avy eny amin’ny fokonolona sy ny komity mahaleo tena hitsara ny tsimatimanota izay vao manavao ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana. Toraka izany ny mahakasika ny fanatsarana ny rafitra ekonomika misy eto Madagasikara”, hoy izy.

Tsy afapo
“Tsy afapo tamin’ny tolona izay natao ny tanora matoa manohy ny hetsika, satria tsy voavaly araka ny tokony ho izy ny fitakiana tamin’izany”, hoy i Rivo Manankasina, ray aman-dreny ara-drazana. Nam­barany fa raha tiana ny hilaminan’ny firenena, tokony ho valian’ny fitondram-panjakana ny fitakiana.
“Tsy hanongam-panjakana izahay fa mitaky ny fampiharana ny rariny sy hanatanterahana ny rafitra takinay”, hoy izy ireo. Nohamafisin’izay nandaha-teny fa mbola manjavozavo ny tena fanovana. Manao antso avo amin’ny tanora, ny mpianatra izy ireo hanatevin-daharana ny hetsika. “Tsy tokony mbola hieritreritra fifidianana koa isika aloha. Mila apetraka mazava tsara ny rafitra”, hoy i Dozzy Njava, mpanakanto.
Nirava tamin’ny 12 ora atoandro teo ny hetsika ary samy niparitaka ny rehetra taorian’ny fanambarana na­taon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Mbola hitohy anio izany.
Marihina fa nitondra ny heviny ny Filoham-panjakana mahakasika ny hetsika. Nam­barany fa olona voakarama ireo (Jereo Pejy 3).

Mino

Partager sur: