Telo lahy nandroba Cash point : Roa lahy niampy polisy iray voaambana basy

Nandositra avokoa ireo telo lahy nandroba mpanao Cash-point teny amin’ny fo­kontany Anatihazo-Isotry, ny harivan’ny alakamisy 9 avrily teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. “Handeha hody izahay ary efa teo am-baravarana, kanjo no­sakanan’ny telo lahy tampoka”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo roa lahy lasibatra. Nampiasa fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy ireo jiolahy ka nanambana azy mirahalahy teo anoloan’ny vavahady amoron’arabe. “Nosakelehin’ ilay namako tamin’ny vozony ny sakaosy nisy ny vola maty nandritra ny tontolo andro. Niezaka nisintona izany ny iray tamin’ireo jiolahy saingy tsy azony”, hoy ny fanampim-panazavana. Tsy afa-nihetsika ny iray izay nandrasan’ireo olon-dratsy ireo tamin’ny basy. Nandalo tampoka anefa ny mpitandro filaminana iray nitondra moto. Nijanona izy rehefa nahita ny savorovoro. “Natodiky ny iray tamin’ireo mpandroba tany amin’io polisy io indray ilay basy saingy tsy nipoaka”, araka ny fanazavana teny an-toerana. Latsaka teo amin’ny tany ny iray tamin’ny bala tao anatin’io fitaovam-piadiana teny amin’ireo jiolahy io. Nandositra avokoa izy telo lahy taorian’izay. Finday iray no lasan’ireo tsy mataho-tody. Tsy nisy nisaron-tava ireo mpanao ratsy, tamin’ io fotoana io.

Tsiferana R.

Partager sur: