Manomboka ny fizarana maimaimpoana ny vaksiny hiarovana amin’ny Mpox. Afaka misitraka izany avokoa ny vahoaka malagasy rehetra. Malalaka, atao an-tsitrapo ny fanaovana izany.
Nosantarina tany amin’ny hopitalibe CHRR Farafangana ny fanaovana vaksiny faobe maimaimpoana ho an’ny daholobe, hiadiana amin’ny aretina mpox.
Ezaka lehibe ataon’ny fanjakana ho fisorohana sy fanakanana ny fiparitahan’ny aretina ary fiarovana ny fahasalaman’ny mponina izao fisokafan’ny fanaovam-baksiny ho an’ny rehetra izao.
Naneho fahavononana ny ankamaroan’ireo mpiasan’ny fahasalamana indrindra ireo teo anivon’ny CHRR Farafangana, izay efa nandray an-tanana ny fitsaboana tranga voamarina iray.
Ireo mpiasan’ny fahasalamana rahateo no tena mifanerasera akaiky amin’ireo marary tonga manao fitiliana sy tsaboina eny amin’ny tobim-pahasalamana ka mendrika ny hisitraka izany voalohany.
An-tsitrapo ny fanaovam-baksiny fa tsy an-tery ary fanehoana am-pahibemaso fa sarobidy aminy ny fahasalamana sy ny manodidina ny fanaovana izany fiarovana izany.
Teto Antananarivo ihany koa dia efa misokatra amin’ireo tobim-pahasalamana maromaro izany fanaovam-baksiny izany. Ahitana izany ny ao amin’ny BMH Isotry, CSB Volosarika,
CSB Andravohangy ary CSB Namontana. Ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mbola hisy ihany koa ny fanaovam-baksiny ho an’ireo mpiasa ao amin’ny boriborintany enina sy ny sampana mpamonjy voina.
Raha ny tranga Mpox ny faran’ny herinandro teo, milaza ny antontanisa fa nahatratra 911 ireo tranga voaporofo tao anatin’ny 5 volana nahitana ny aretina teto Madagasikara. Miisa 3 kosa ireo namoy ny ainy vokatr’ity aretina ity. Nahatratra 716 ireo sitrana soamatsara. Ny sabotsy teo, 30 ireo nanao fitiliana manerana ny Nosy ka ny 23 teto Analamanga, 8 tany Diana, 8 tany Boeny ary 3 tany Atsinanana.
Tatiana A




