Hetsiky ny Gen Z : Tanora telo voatazona eny amin’ny heloka bevava

Miisa telo ireo tanora avy amin’ny Gen Z, voasambotra sy miatrika famotorana eny amin’ny sampan-draharahara miady amin’ny heloka bevava. Enina ireo tsy nahazahoam-baovao hatramin’izao.

Taorian’ny fidinana andalam-be nataon’ny tanora avy amin’ny Gen Z, ny zoma sy sabotsy lasa teo tetsy Ambohijatovo sy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Miisa telo ny tanora vaotazona etsy anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny heloka bevava (BC) etsy Anosy, raha ny fanambarana nataon’ny mpisolovava mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo, omaly. Ansian’ izany, i Herizo, mpitarika ny Gen Z teny an-kianja. Niatrika famotorana omaly, kosa ny roa tamin’ireo tanora voasambotra ireo saingy tsy mbola fantatra ny valin’izany. Ny fisian’ny fihetsiketsahana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo ny anton’izao fisamborana sy famotorana izao, raha ny fanazavan’ny mpisolovava hatrany. Fani­ndraindrana ny fiandrianam-panjakana ny antony anenjehana azy ireo. Fitakiana sy famerenena ny vina natao nandritra ny hetsika teny an-kianja tamin’ny volana septambra 2025 lasa teo ny tanjon’ireo tanora nanao fitokonana ireo, raha ny fanazavan’ireo tanora avy amin’ny Gen Z.

Tsy nahazahoam-baovao mihitsy
Miisa enina ireo tanora tsy nahenoam-baovao hatramin’­ izao », hoy kosa ny avy amin’ ny Gen Z, nanao fanambarana omaly. « Tsy voamarina raha notazomina ao amin’ny BC Anosy ihany koa izy ireo na tsia », hoy ihany ny mpisolovava. Ankoatra izay, mitaky ny hamoahana ireo tanora ireo ny solombavahoaka voafidy ao amin’ny disitrikan’­ Arivonimamo, Rajerison An­toine, omaly. Mba tsy ahatonga olana hafa indray eto amin’ny firenena. Nambarany fa mbola ny fanaon’ny fitondrana teo aloha ihany no averin’izao fitondrana ankehitriny izao manoloana izao tranga izao.

Mino

Partager sur: