Hotanterahina amin’ity anio ity ny lalao ampahefa-dalana miverina, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Ho fantatra eo izany, ny ekipa roa voalohany tafita, amin’ny manasa-dalana. Hisantatra izany, ny fihaonan’ny Paris ST Germain sy ny Liverpool. Hampiantrano an-dry zareo parizianina amin’ity, ny anglisy. Lalao hatao ao Anfield stadium. Efa nanantombo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny parizianina, nandritra ny fihaonana mandroso, herinandro lasa izay, tao amin’ny Parc des Princes. Araka ny vaovao navoakan’ny ekipa teknikan’ny PSG, efa sitrana ary mety hijoro i Barcola, anio. Raha tsiahivina, naratra ny tovolahy ary nijanona nitsabo tena nandritra ny iray volana. Anisan’ireo, ao anatin’ny delegasionina nandeha any Angletera izy. Na izany aza, tsy mbola sitrana i Fabian Ruiz. Ankoatra azy mirahalahy, tsy misy fiovana fa ao avokoa ireo mpilalao hahalalana ny PSG toa an’i Hakimi, Beraldo, Dembélé, Doué.
Fihaonana iray hanan-tantara ihany koa ny adin’ny samy espaniola dia ny FC Barcelone sy ny Atletico de Madrid. Handray ny Barcelone ao aminy, anio alina ny Atletico, izay efa manana tombon’isa 2 ihany koa. Heverin’ny rehetra fa mety tsy hahatohitra an-dry zareo Atletico, ao an-taniny ny Barca.
Tompondaka




