Muay Thai-Queen of the Ring : Azon’i Faniriantsoa Voary ny “ceinture”

Niatrika fifaninanana iraisam-pirenena teo amin’ny taranja Muay thai, ny Malagasy mpikatroka roa vavy, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra “ceinture” iray nody izy ireo.

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy, niatrika ny fifaninanana “Queen of the king” taranja Muay thai, natao ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja mitafo Phoenix, tany Maorisy. Noentin’i Fanirintsoa Voary ny “ceinture”, rehefa nandavo ny mpifanandrina taminy, ilay teratany Mao­risianina, i Dorza Annya, izy, teo amin’ny sokajy Senior latsaky ny 51kg. Somary nisy tahotra ihany, hoy i Voary, ny niatrehany, ny ady, saingy efa nanomana tsara izy ka azony ny fandresena. Tetsy ankilany, nanome ny tsara indrindra avy aminy ihany koa, Rakotosolofo Richinah, nanoloana ireo mpifanandrina taminy. Nahavita nanohitra tsara izy saingy nisy olana teo amin’ny lafiny fitsarana ka tsy azony ny ” ceinture”, teo amin’ny sokajy Senior, latsaky ny 54kg. Marihana fa teratany Maorisianina, i Ma­met Nelly sy teratany Renio­ney, i Dorla Anna, no niady ny amboara tamin’i Richinah, taminy. Ny mpanazatra Rato­diniaina Jean Robert no nanaraka akaiky azy roa vavy ireto nandritra ity fifaninanana ity. Nanamafy i Maitre Razana­jatovo Gildas izay anisan’ny namolavola ireto ankizy ireto fa tsara ny fanomanana ary misongadina eto anivon’ny Ranomasimbe indiana ny Malagasy mpikatroka Nak Muay. Tsiahivina fa firenena 3 no nifaninana tamin’ity ady natao tany Maorisy ity, nahitana an’i Maorisy, La Réunion ary i Madagasikara. Tena efa avo lenta ny fifaninanana ary nahitana taratra fa manana ny maha izy azy sy efa mivoatra ny Malagasy Nak Muay.

Mi.Raz

Partager sur: