Roa vavy lasibatra : Mpitondra Tuc-tuc nanendaka mpandeha

Vehivavy roa hamonjy fodiana niharan’ny fanendahana nataona mpitondra Tuc-tuc tao Ambohijafy, kaominina Toamasina, omaly. Avy namonjy lanonana, naka io fitaovam-pitanterana io teo Ambohijafy ireo roa vavy ireo tamin’ny 2 ora maraina. Niakatra tamina Tuc-tuc izy roa kanjo nisy roa lahy hafa nanakana izay nilaza fa mitovy lalana amin’izy ireo. Nentin’ilay mpamily avokoa ireo olona efatra ireo. Hiditra ny lalam-pasika anatin’ny fokontany Ambohijafy mihazo ny CSBII nanararaotra ireo roa lahy. Nokendain’izy ireo ilay roa vavy mpandeha. Nilatsaka ivelan’ny Tuc-tuc ny iray tamin’ireo roa vavy ka niantso vonjeo tamin’ny manodidina. Nivoaka avy hatrany ireo mponina. Niara-nandositra ireo roa lahy sy ilay mpitondra Tuc-tuc. Lany solika raha teo ilay fitaovam-pitanterana ka tsy afaka nentina intsony. Nigadona teo an-toerana nitrangan’io fanendahana io koa, ny polisy. Voasambotra minitra vitsy taorian’ny antso vonjy ilay mpitondra Tuc-tuc. Hifampitadiavana ireo roa lahy hafa namany. Matetika voasaringotra amin’ny tranga fanendahana sy fandratrana olona ireo mpitondra Tuc-tuc sasantsasany mody miasa amin’ny alina ao Toamasina.

Sajo

Partager sur: