Tontosa ny alahady lasa teo, teny Andohatapenaka ny antsapaka ho an’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondaka “Federal 2”, taranja rugby. RCSA Anosibe hidona amin’ny CRAI Ambalavao Isotry ary Rosa hifanandrina amin’ny FTAT Anosibe. Fihaonana, hotanterahina ny alahady 19 avrily ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.
Hotanterahina ny alahady 19 avrily ho avy izao, etsy amin’ny kianja Alarobia ny fifaninanana hazakazaka karakarain’ny seksiona Atletisma Antananarivo Renivohitra. Marihina fa tokony ho natao ny alahady 12 avrily lasa teo izy ity, saingy noho ny fisian’ny fifaninanana baolina kitra, voatery nahemotra izany.
Hiditra amin’ny andro fahatelo anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1A, ho an’ny faritra afovoany. Anisan’ny hifanandrina eo amin’ny vehivavy, ny MB2ALL Analamanga sy ny JCBA Analamanga, eo koa ny JEA Vakinankaratra sy ny Ankaratra Vakinankaratra.




