Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’olon-telo miaraka no hisantaran’ny federation sport boule malagasy (FSBM), ny fifaninanana ho an’ny taom-pilalaovana 2026. Hotanterahina any Antsirabe izany, manomboka ny zoma 17 ka hatramin’ny alahady 19 avrily ho avy izao. Olon-telo miaraka no hatao amin’izany ka takina amin’ireo mpifaninana rehetra ny tsy maintsy hananana kara-pilalaovana ara-dalàna. Araka izany, tsy ho afaka hifaninanana mihitsy na inona antony, ho an’ireo tsy mitondra izany. Hanana ny lanjany ity fiadiana ny amboara ity, satria efa ao anatin’ny fifaninanana hahazoana isa ary efa hifantenana mialoha ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena ho an’ny sokajy “senior” lehilahy sy ny zandriny. Hahazo 3 tapitrisa Ar ny voalohany miampy amboara telo, raha 1 tapitrisa Ar sy amboara ho an’ny faharoa ary 500 000 Ar sy medaly ny fahatelo sy fahefatra. Lela vola 750 000 Ar kosa miampy amboara 3 sy amboara ho an’ny klioba ho an’ny mpandresy eo amin’ny vehivavy sy zandriny ary ny “veterans”.
Tompondaka




