Kitra ao Eoropa – Ligue des champions : Firenena efatra hiady izay ho tompondaka

Klioba avy amin’ny firenena efatra no hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Paris ST Germain hikatroka amin’ny Bayern de Munich ary ny Arsenal hifandona amin’ny Atletico de Madrid.

Tontosa ny alarobia lasa teo, ny lalao ampahefa-dalana roa miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des cham­pions”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, ny Paris ST Germain (France) hidona amin’ny Bayern de Munich (Allema­gne) ary Arsenal (Anglisy) hifanandrina amin’ny Atletico de Madrid (Espagne). Raha tsiahivina ny vokatra, lavon’ny Bayern tamin’ny isa 4 no ho 3 ny Real de Madrid ary nirava 0 no ho 0 ny Arsenal sy ny Sporting. Efa nanantombo tamin’ny fandresena nandritra ny lalao mandroso anefa ny anglisy sy ny alemà.
Fihaonana ho toy ny famaranana kely ny an’ny PSG sy ny Bayern de Munich. Hiaro ny amboara eo an-tanany, ny parizianina. Ekipa manahirana ny PSG ry zareo Bavarois satria tsy mbola nandresy azy ireo mihitsy ny parizianina, nanomboka ny 7 avrily 2021. Toy ny biby mainty amin-dry zareo mihitsy ny Rainiboto. Efa iray vondrona ny roa tonta, tamin’ny fifanintsanana ka resin’ny Bayern, tao an-jaridainany, tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Handray ny lalao mandroso, ny PSG ny 28 avrily ary any Alianz Arena ny fihaonana miverina ny 6 mey.
Ny manasa-dalana faharoa indray fihaonana mety hitrangan’ny tsy ampoizina. Ambony ara-taratasy ny Atle­tico saingy ny Arsenal no hany ekipa tsy mbola resy mihitsy tamin’ity “ligue des cham­pions” ity. Voalohany eo amin’ny tantarany ihany koa ny hiatrehany ny manasa-dalana. Raha ny fihaonana farany nikatrohan’ny roa tonta, resin’ny Arsenal, 4 no ho 0 ny Madrilènes ny 21 oktobra 2025. Amin’ity, handray ny lalao voalohany ny Atletico ny 29 avrily ary any Anfield ny miverina ny 5 mey 2026.

Tompondaka

Partager sur: