Manakambahiny : Mpivarotra rôrô naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika eny am-ponja ny ramatoa iray mpivarotra heroïne teny Manakambahiny, afakomaly. Manoloana ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin’iny faritra iny, naharay loharanom-baovao ny ekipan’ny polisim-pirenena fa misy olona mivarotra “rôrô” teny amin’io boriboritany faharoa io. Sarona teo am-pivarotana io ramatoa io ary efa voatsinjara tanaty fonosana ireo rongony mahery vaika amidiny. Namidiny amin’ny grama ireo zava-mahadomelina ireo ary matetika ireo tanora vao erotrerony sy mpianatra ary indrindra ireo efa mianki-doha tanteraka amin’ny fihinanana azy no mpanjifa. Nentina natao famotorana io ramatoa io. Niaiky heloka tokoa izy fa efa nivarotra rongony mahery vaika hatry ny ela. Nentina teny anatrehan’ny fampanoavana ny raharaha ary notazomina vonjimaika ity farany. Nahatratra 16 fonosona ireo rôrô tra-tehaka teny amin’ireo renim-pianakaviana io.

Tsiferana R.

Partager sur: