Nandroba mpanagom-bokatra : Efa-dahy voaheloka higadra 10 taona

Niakatra fitsarana, omaly, ireo jiolahy miisa efatra nanafika mpamongady tany Ambalanirina. Nomelohin’ny fitsarana higadra an-tranomaizina 10 taona izy ireo. Niampy lamandy 7 000 000 Ar izany.

Sazy henjana ! 10 taona any an-tranomaizina miampy fandoavana lamandy an-tapitrisany no azon’ireo efatra mirahalahy voasaringotra tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra, tao Ankadilalapotsy, fokontany Ambatolampy, kaominina Ambalanirana, omaly. Nitran­gana fanafihana tao amin’io fokontany io, ny 1 oktobra 2024 lasa teo. Norobain’ireo olon-dratsy nitam-piadiana tamin’izany ny lelavola mitetina 17 tapitrisa Ar mahery. Tsy vitan’ny naka ny vola, noratrain’ireo mpandroba ny mpamily ny fiara. Nametraka fitoriana teny anivon’ny biraon’ny zandarimaria miasa ao an-toerana ny tompon’ny fiara niharan’ny fanafihana. Nanao fikarohana ny tomponandraikitra. Olona miisa enina sy vehivavy iray nosamborina ary notanana vonjimaika taorian’ny fanadihadiana. Nahazo fahafahana vonjimaika ny roa lahy sy ilay vehivavy.

Tsy afa-bela

Niakatra teo anivon’ny fitsarana omaly ny raharaha momba io fanafihana nahavarezana lelavola an-tapitrisa io. Nohainoin’ny fitsarana avokoa ireo efa-dahy voasaringotra. Tsy nisy afa-bela izy ireo taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Samy niaiky heloka avokoa izy efa-dahy. Nandray anjara mivantana tamin’ilay fanafihana niaro fandratrana olona avokoa izy ireo. Na­nam­py ireo mpitsara tamin’ny fanampahan-kevitra koa, ny porofo rehetra nangonin’ny manam-pahefana nandritra ny famotorana. Nivoaka araka izany ny didy fa misazy 10 taona any am-ponja miampy fandoavana lamandy 7 tapitrisa Ar izy efa-dahy. Marihina fa nisy tamin’ireo vola lasan’ireo mpandroba efa tafaverina tamin’ny tompon’ny fiara lasibatra taorian’ny famotorana nataon’ny manam-pahefana.

Tsiferana R.

Partager sur: