Afro beat : Manohy ny lalany i Onel Jet

Velonjara Jet-lee, anarana feno. “Onel Jet” ao anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Ny fivoizana ny “Afro beat” no ifotorany. Nandritra ny taom-pahazazany no efa liana tamin’ ny famoronana tononkalo miady rima i Onel Jet. Ireo trangam-piarahamonina no akora fototra entin’i Onel Jet manefy ireo tononkirany. “Misy hafatra mafonja ny sanganasako”, hoy izy. Ilay vazo “Tsy agnenig’ôta” no nahafantarana ity mpanakanto ity.
Efa manangasanga any koa ny famoahan’i Onel Jet ny “Fisarahana”. Ankoatra ny “Afro beat” miezaka ny mamolaka ny gadona mihetsika (trôpikaly) ihany koa i Onel Jet. “Ny hanome fahafaham-po ireo sokajin-taona rehetra no tanjona amin’ny firosoana amin’ny famolahana bankira hafa”, hoy izy.
Manan-talenta amin’ny famoronana tononkira i Onel Jet. Nomarihany fa vonona ny hiroso lalina amin’ny filalaovana ny mozika izy fa tsy anandrakandrana. Naneho ny fahavono­nany ny hivoy ireo gadon-kira nentim-paharazana mampiavaka an’i Toamasina ihany koa i Velonjara Jet-lee.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: