Gymnastique Rythmique : Nahazo fitaovana ireo klioba

Nahazo fitaovana avy amin’ny Federasionina malagasin’ny gymnastique, ireo klioba vao avy niatrika “Master class”, ny 16 avrily lasa teo.

Tsy mitsahatra ny mampiroborobo ny taranja ny eo anivon’ny Federasi­onina malagasin’ny Gymnas­tique. Ho fampirisihana sy fanohanana ireo klioba sy ny atleta ao aminy, nisy ny fanomezana fitaovana ho azy ireo avy amin’ny federasionina. Ny taranja Gymnastique rythmique no tena nisitraka izany fampitaovana izany, izay vao avy niatrika “master class”. Ny 16 avrily teo no nanatanterahana ity fanolorana fitaovana ity ary nahazo avokoa ireo klioba mivondrona eo anivon’ ny federasionina malagasy ny Gymnastique. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambaran’ny Federasionina fa handray anjara amin’ny “ salon International du Sport” izy ireo, izay hatao ny 24 hatramin’ny 26 avrily izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hampi­seho sy hampahafantatra be­be­kokoa ny taranja ny Federasionina malagasin’ ny gymnastique amin’io fotoana io, raha ny nambaran’izy ireo. Tsy ny Gymnastique ihany no haseho mandritra izany fa eo ihany koa ny Parkour izay efa tafiditra ao anatin’ny taranja mandrafitra ity federasiona ity. Tsiahivina fa efa mivelatra manerana ny nosy sy any ivelany ny taranja Gymnastique malagasy ary mandalina ha­trany izay hampiroboroboana ny taranja.

Mi.Raz

Partager sur: