Judo-Afrika Seniors: Judokas malagasy 12 hihazo an’i Nairobi

Hotanterahina any Nairobi, ny 24 sy 25 avrily izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Seniors, taranja Judo. Malagasy mpikatroka 12 no hisolo tena an’i Madagasikara. Tsy ho diso anjara i Madagasikara ary tena mafonja ny delegasionina satria raha judokas 8 no novinavinain’ny federasionina fa hifaninana dia nitombo ho 12 izany. Araka izany, judokas malagasy 4 vavy sy 8 lahy no hiaro ny voninahi-pirenena. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura (-70 kg), Razafindrakalo Natacha (-48 kg), Ralalaharisoa Malalatiana Frédérica (-63 kg) ary Andriam­bololona Zo Hajanirina (-78 kg). Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, hahitana an’Andriamanoelina John Major sy Rakoto­nan­drasana Yacinthe Angelo, eo amin’ny sokajy -60kg, Rale­vazaha Kevin Emilson sy Mickael Jean Allo (expatrié), eo amin’ny sokajy -66kg, Ravelojaona Yves Rayan sy Ralevazaha Vonjiniana Emilson, eo amin’ny sokajy -73kg ary Ranaivoa­risoa Fetra sy Randrianasolo Lova Mahaisoa, eo amin’ny sokajy -81kg. Tsiahivina, mpikatroka 256 avy amin’ny fire­nena afrikanina 34 no hifaninana amin’ity fiadiana ny tomponda­kan’i Afrika any Nairobi ity.

Mi.Raz

Partager sur: